You are here: home > Tononkira > Mahaleo

Rahoviana indray moa (Mahaleo)

Rahoviana indray moa
No hifarana tokoa ?
Rahoviana indray moa
No ho tapitra tokoa ?
Ity ady tsy misy fiafarana
Mbola mampiady ireo fatram-pitana
Ny fandriampahalemana

Rahoviana indray moa
No ho foana tokoa ?
Rahoviana indray moa
No ho levona tokoa ?
Ity fijaliana eto an-tany
Mampikoriana ra sy tomany ?
Eny, izany nTsiky dia ampyo mbola misy

Inona indray moa
Raha tsy matroka tokoa ?
Ny lokon-danitra rehefa tohina ny fo
Rehefa mahatsiaro ireo namana
Fantatry ny maro fa voatantana
Ho any amin’ny fahafatesana

Iriko fatratra mba tsy ho fantatra
Ity hery izay manosika sy manery
Ny fontsika tsy hamindra fo
Ny tanantsika tsy hijanona ny hamono
Eny, izany no mbola misy !

Mpihira : Mahaleo
Mpamaky : 3378
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Iketaka
Tamin'ny : 15/05/2003 14:30:06
ID : 1671

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo