Raha mila fanampiana (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha mila fanampiana ianao
Ka misy tsy mety ny hatao
Tsarovy akia e, fa any ho any
Misy namanao tena tia anao

Miandry fotsiny miandry pì-maso
Miandry ho kopahin-tanana
Fa vonon-kijoro handresy ny ankaso
Satria izany no tena namana

Raha misy zava-mampahory
Ka mila tsy hahitan-tory
Tsarovy akia e, fa any ho any
Misy namanao tena tia

Mahantra sy osa mahantra harena
Nefa kosa tsy tia tena
Fa vonon-kanampy satria tia
Tsy mitady valiny sanatria

Raha mahatsiaro ireny ianao indraindray
Na marary nefa tokana iray
Tsarovy akia e, fa any ho any
Misy namanao tena tia

Tsy irery ianao fa misy mahatsiaro
Ka ny halahelo atsaharo
Fa na ali-mikitroka na oram-baventy
Ho tonga tsy ho ela a ho fa vetivety

Fihavanana tsy ho rava no ho hita ao
Fa madio sy hamiratra foana
Tsarovy akia e, fa any ho any
Misy namanao hatrany hatrany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 32253
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 29/10/2001 15:10
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0123