Tsindry hazo lena (Dia tsy maintsy hiasa ve) (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha ho tonga indray izao
Ilay maraina vaovao
Inona ary no ‘ndeha hatao
Hiasa ve sa hilalao?

Dia tsy maintsy hiasa ve
Na dia kely aza ny karama
Dia tsy maintsy hikasa ve
Fa be zavatra ilaina?

Firifiry moa no efa voa
Voadona mafy ka namoy fo
Noho ireo izay misehoseho
Sy milaza, mitrena ny ho Fariseo.

Ka manosihosy ny ambany
Efa mihosona amin’ny tany
Satria mainty fihodirana
Na somary sahirana.

Izany ary no zava-misy
Mahonena nefa indrisy
Inona ary no ‘ndeha hatao
Hanoherana an’izao?

Dia hiharitra ny mafy ve
Sa hiandry ny rariny
Dia ho resy tsy miady ve
Ka hety hanariny?

Raha ho tonga indray izao
Ilay maraina vaovao
Inona ary no 'ndeha hatao
Hiasa ve sa hilalao?

Dia tsy maintsy hiasa ve
Na kely aza ny karama
Dia tsy maintsy hikasa ve
Fa be ny zavatra ilaina?

C/A RAZAFINDRANOA Raosolosolofo (Raoul)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 4160
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 18/07/2003 21:03
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735