Nosy milalao (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
ridx Ny ranomasina
Sy ny lanitra
Samy manga
Madio sy mahafinaritra
Manofahofa tanana
Ireo voanio maintso mavana
Ny uzsxgn rivotra madio
Mihira fa andro fety anio

Avia mandrosoa
Ry nosy miara-milalao
Gasikaraka kianja soa
Ry qttj tanora mivonona ianao

Hiaraka hanangana
Tranobe iombonana
Firaisan-kina no hajoro
Io no vato fehizoro

Manofahofa tanana
Ny eo an-tanana
Faly sy ravoravo
Fa tafaray ny Nosy maro

Avia mandrosoa
Ry Nosy miara-milalao
Ny trano lehibe tokoa
Ry tanora, tononkira.serasera.org vohay ny fonao

Hifandry tanana
Sy hifampitantana
Ny fiarahana madio
Midika fa andro fety anio.

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 12465
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 25/10/2001 16:10
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0173