Mbola (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy Adala Manan-tsaina
Ao Antsenan'i Sabotsy ao
Ka tsy azo ambakaina (aaaaa)
Na dia akamany aza ianao
Firy firy no efa nandre
Ny tantarany tao Antsirabe

Mbola irery no ao an-tsena
Raha vao alina ny andro
Izy no mpiambina ny entana
Isan'andro isan'andro
Rehefa miakatra ny paoma
I Mbola tsy maintsy eo foana

Asa raha misy mahavita
Ny fahaizan'i Mbola
Manao tsingolo batita
Rehefa te ahazo vola
Alainy @ lela
Ny vola ariary efatra

Lasa indray i Mbola (x4) ]
Hitady vola ] x2
Tsy tsary mety tola ]

Raha sendra mangingina
Ny ao an-tsenan'i Sabotsy ao
I Mbola no antsoina
Iarahana milalao
Ka Lasa adala daholo
Ny ao an-tsena manontolo

Nahazo vady ary i Mbola
Vady tena tsaratarehy
Ka nahazo zazakely
Lahy tahaka an-drainy

Faly be i Mbola (x2) ]
Tsy adala tahaka azy ] x2
Ny zanany lahy ]

Faly be i Mbola (x2)
Tsy adala tahaka azy
Ny zanany lahy

Betsaka ny olona hendry
Ao an-tsenanan'y Sabotsy ao
Betsaka koa ny olona adala
Ao an-tsenan'i Sabotsy ao
Tsa mifangaoharo
Dia manjary be sy ny maro

Indraindray ny olona hendry
Mba manao adalana
Indraindray ny olona adala
Mba manao fahendrena
Ka tsy fantatra intsony
izay adala sy hendry

Gaga ny olona hendry
Mijery ny olona adala
Gaga ny olona adala
Mijery ny olona hendry
Dia mifampijerijery
Ny Adala sy ny hendry
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 4481
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Belalao
Daty : 03/09/2014 12:32
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122