Inty ny foko (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy ho alahelo
no entinao mielo
amin'ny orambatravatra e !
Tsy ho tanam-polo
No entinao mijoro
Amin'ny orambatravatra e !
Ity ny foko
Mamoha varavarana
Ao anatiny ao
Tsara hialokalofana

Tsy ho hetaheta
no entina misedra
Ny hainandro be migaigaina e!
Na ho tany mahamay
No ho diaviano indray
Amin'ny andro migaina be
Ity ny foko
Mitondra alokaloka
Ao anatiny ao
Mamelombelon'aina

Mahery dia mahery
Ny onjan'ny fiainana
Be ny olona no very
Tsy misy itarainana
Na izany aza no manjo
Dia mbola manana ny toerana ny fo

Tsy ho hakiviana
No entina hamakiana
Ny alim-be mikitroka
Na ho fatahorana
No entina hiantsorohana
Ny alim-be mikitroka
Ity ny foko
Fa mitsilo ny lalana
Ao anatiny ao
Misy jiro manazava

Tsy mba ho taraina
no entinao miaina
Ny rivotra mifofo e !
Na ho fandosirana
No entina hidovirana
Ny rivotra mifofo e !
Ity ny foko
Manolotra tànana
Ao anatiny ao
Misy azo hamaharana

Ity ny foko
Mivoha midanadana
Ao anatiny ao
Dia miandry fahalemena
Ity ny foko
Mivoha midanadana
Mandrosoa ianao
Ka mandraisa toerana !
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Mahaleo
Visites : 1039
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : hery
Date : 12/02/2022 10:46
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117