Ianao ilay tsy manan-tsahala (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
ianao ilay tsy manan-tsahala
ilay nisafidy hizara ny diako
ianao ihany no mahalala
ireo ahiahy sy ireo faniriako.
ianao eo anilako hatrany
nizara ireo tsiky namafa tomany
ianao nampijoro nampitraka
nanampy ahy hizaka ny mafy tsy zaka

ianao eo anilako hatrany
nizara ireo tsiky namafa tomany
ianao nampijoro nampitraka
nanampy ahy hizaka ny mafy tsy zaka

ianao ilay tsy manan-tsahala
ilay nisafidy hizara ny ho aviko
ianao no hany tokako malala
ilay mandra-maty hany hotiaviko
ianao eo anilako eo foana
tsy fanontaniana, tsy misy hoe nahoana
ianao tsy mba be fisehosehoana
nefa tratra antso rehefa antsoina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 8037
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : antonello
Daty : 05/07/2003 16:33
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135