Ho aiza e! (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho aiza e! No halehantsika izany an
Ho aiza e! Mba jereo ihany an

Enjehin’inona avy any afara ianao
No avy hatrany dia manao hitsin-dalana
Manenjika inona any aloha any ianao
No toa tsy mba manao mbay lalana

Ka ho aiza e! Ka ho aiza e!
Ho aiza izy ity?

Gaga ny olona manodidina
Tsy maika lava intsony ny lehilahy
Niova fihetsika sy famindra
Fa tonga amin’ny toerana naharangahy

Ho aiza e! Ho aiza ihany ary izy izany an
Ho aiza e! Ho hitantsika eo ihany an

Dia tonga ilay ’rangahy’ tonga amin’ny andro fifidianana
Mahay mikabary tongalafatra ilay ranamana
Dia ho izy hoe (2) aza ny ataoko no atao
Fa izay lazaiko tanteraho

Ho aiza e! No halehantsika izany an
Ho aiza e! Mba jereo ihany an

Ny olo-marina izay nantenaina
Ny ankamaroany dia mitavozavoza
Ny olona izay mpamorona lainga
No manjary lasa mampidi-doza

Ka ho aiza e! Isika mianakavy an
Ka ho aiza e! Mba jereo ihany an
Ka ho aiza e! Ny mety hiafarany an
Ho aiza izy ity?

Dia tonga ilay ’rangahy’ tonga amin’ny fety fanasana
Mahay mikabary feno fampanantenana
Ka hoy izahay hoe (2) ny toky fitaka
Fa ny atao no hita

Ho aiza e! No halehantsika izany an ...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 3441
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 09/11/2001 15:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.073