Fiainan'Antananarivo (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Manimanina ny any aminay izaho e !
Manimanina te-hody e
Ny foko izay malahelo
Tsy haiko ny hanaovana azy e !
Izaho tsy manam-bola handehanana hody (2)
Efa tonga efa ela be ’zaho e !
teto Antananarivo
Nikarama efa ela be ’zaho e !
teto Antananarivo
Nefa dia hatramin’ izao
tsy nahangona vola firy
Ny frais mbola tadiavina
K’aleoko mijanona a !

Mahatsiaro ny any aminay aho ry nama
Dia te hody ! Dia te hody an !
Ny fiainan’ Antananarivo
iharaha-malala fa tsy te halala
Ny fiainan’ Antananarivo
iharaha-malala fa tsy mahatamana
Mitsakaraka vola isan-andro
ka mandreraka, ka mandreraka
Samy maka ho azy daholo
tsisy iainana, tsisy iainana

O ! ry akamako , omeo korazy aho
Fa mitady ho reraka
O ! ry akamako , omeo korazy aho
Mba ho entiko hiady
O ! ry akamako a ! aza avela ho irery aho
’Ndao mba hiaraka
O ! ry akamako a ! omeo korazy aho
Tsara raha miaraka.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 7527
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 25/10/2001 16:10
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0124