Elo Manga (Asanao Madagasikara!) (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha hianavaratra any ianareo an misosa amin’ny godorao (2)
Misosa amin’ny godorao (2)
Tandremo ny kiraronao sao simba e e e e
E e e e! Hankalaza an’izany fety
Asanao Madagasikara

Raha hiatsinanana any ianareo an mitondra verovato (2)
Mitondra verovato
Hanaovana ny nifinao mba ho tsara e e e e
E e e e! Hankalaza an’izany fety
Asanao Madagasikara

Raha hianatsimo any ianareo an mitondra ny tavoahangy (2)
Mitondra ny tavoahangy (2)
Fanafody ho an’ny marary fa te e e e e
E e e e! Hankalaza an’izany fety
Asanao Madagasikara

Raha hianandrefana any ianareo an mitondra ny elo manga (2)
Mitondra ny elomanga
Fa i Kalakelin-dRamanga ho tonga e e e e
E e e e! Hankalaza an’izany fety
Asanao Madagasikara

Raha sarotim-panina ianareo aza miakatra an-davarangana (2)
Raha sarotin-kalahelo
Aza mijery fasana fa ory e e e e
E e e e! Hankalaza an’izany fety
Asanao Madagasikara

MAHALEO
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 3969
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 18/07/2003 21:29
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727