Ekena re ! (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Eny re !
Fa mazana ianareo ka mirehareha
Ekena re !
Fa mazana ianareo fa manana aleha

Fa anareo ny asa,
nefa ianareo tsy miasa
Lanianareo ny vola,
avy eo nareo midola !

Eny re !
Fa katraka ianareo, ka mampifilafila
Ekena re !
Tafiakatra ianareo, ka mampivaralila

Tsy ahoanareo akory,
Na be ny sorisory
Angady mampahory
aleonareo matory

Drodroka, sady efa vizana
No tena very aina, ho’aho
Sempotra tany am-pandihizana
F’ianao lay nantenaina
Hitondra ny faneva,
Hijoro sy ho meva
No nivadi-belirano
Ka nampiditra angano

Angamba re, tsy tsara afangaro
Ny saina sy ny aina
Asehoy ho fantatry ny maro
Ireo zava-tsy ilaina
Fa maro ireo pôk’aty manabatibaty
Ireo no mamosavy antsika mianakavy !
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 7417
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Iketaka
Daty : 15/05/2003 15:53
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.029