You are here: home > Tononkira > Mahaleo

Aomby (Mahaleo)

AOMBY

Izy e! kilalao ankinafina an-tampon-tanety
Hiaraka aminay izahay nitsaotsaoka
Bibilava any anaty fataka tsy azonareo fa izahay mahay manafody manampina mason’ ny zana-bahoaka
Entinay ny zanak’ombinareo a! (3)
Aman-jato sy arivo entinay any amin’ny Vazaha be manam-bola

Rehefa mahazo vola izahay dia handeha hantononkira.serasera.orggata-bady any avara-tanana fa ny ampela any dia tia manam-bola
Rehefa mahazo vola izahay dia handeha hividy tapany maintso
Any amin’ny fivarotana disque congo masombika e!

Nisy miaramila nilanja basy
Basy navoakan’ny fanjakana
Nanenjika anay teny antampon-tanety a!
Notifiriny ireo namanay a! (3)
Ka maty tamin’izany RABEKOBAY a! (2)

BEKOTO

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Mahaleo
Mpamaky : 2713
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Solofo
Tamin'ny : 09/01/2003 17:14:30
ID : 1373

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo