Any ambanivohitra any (Mahaleo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Any ambanimbanivohitra any ho aho
No misy ny akamanay (2)
Any koa ny dadanay e !
Any koa ny reninay
Any koa ny zokinay e !
Any koa ny zandrinay.

Mmmmmmmm ! ! ! !

Voatery handao ny ambanivohitra
Mba handrato fianarana
Ka hamonjy renivohitra
Tohatra fiakarana

Ka niezaka tokoa
Fa hikaroka ny soa
Nihevitry ny ho tafita
Nihevitry ny hahavita

Mmmmmmmm ! !

Mafy ny fiainana any e !
Ka sahirankirana
Tsy hisy hitarainana any e
Na mba hifikirana ! !

Vola, vola vola hatrany no takiana sesilany
Mampivadika ati-doha
Raha tsy manana dia voa

Mmmmmmm !

Anefa tsy afaka manoatra
Voatery ny mitrosa
Ka tsy afaka hivoatra
Sorisory miavosa

Tsy tafandry koa ny saina
Tsy mikipy koa ny maso
Anefa izaho tsy hitaraina
Na hiteny hoe andraso

Any ambanimbanivohitra any ho aho
No misy ny akamanay (2)
Any koa ny dadanay e !
Any koa ny reninay
Any koa ny zokinay e !
Any koa ny zandrinay.
--------
Rohy:
Hevitra
kayohkhay ( 12/12/2015 16:25)
sur mits r zalah
jujuji ( 18/03/2024 19:08)
fa toa tsy hita ito hira ito oa e, tsy mahita mihitsy aho anaty Spotify, Apple Music, deezer, youtube soundcloud, na ilay radio gasy en ligne ireny ... 😔
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Mahaleo
Vangy : 13649
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 13/09/2002 12:58
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133