Tsisy tomany (Mage 4)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha tsy teo ianao
Maizina ny fiainako
Ianao no nitondra ahy hazavana hatrizay
Ny androm-piainako mety ho zavona itany any
Raha tsy nisy ny hafanana avy any aminao nampisava azy

Mangataka aho amin'ny Ray
Mba tsy hisy ho simba indray
'Zay kasaiko haorinaho iray
Tsisy taraina, tsisy tomany
Lay paradisa haorintsika eto an-tany
Fa izaho sy ianoa efa voasoratra
Hifankatia mandrakizay

Tiako ho fantatrao fa feno anao ny tontolo
Anton'ny fisiako sy ny tsikiko hatrizay
Ny ankoatra anao dia tsy ao anaty voambolako
Fa ny anio sy ny ampitso dia anao aho mandrakizay

Mangataka aho amin'ny Ray
Mba tsy hisy ho simba indray
'Zay kasaiko haorinaho iray
Tsisy taraina, tsisy tomany
Lay paradisa haorintsika eto an-tany
Fa izaho sy ianoa efa voasoratra
Hifankatia mandrakizay
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Mage 4
Hits : 1306
Likes : 0 Like
Created by : hery
Date : 09/08/2019 20:33
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.076