Fiainana eto an-tany (Luchass Raz)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
RAP 1 :
Tena mila ho kivy ianao amin’ ilay fiainana eto an-tany
Nefa iza no mba azonao itarainana anefa
Fa tsy ilay Andriamanitra ihany no mahefa
Dia izy ihany no mpanjaka dia izy ihany manefa
Ekena fa mafy ny fiainana ankehitriny nefa na dia zany aza
Aza asiana fahakiviana, ekeo ampifaliana dia asio fitsikitsikiana
Fa raha io tanterakao dia hitondra hamamiana
Ho an’namana tsy tapaka sy ny fianakaviana
Zany no ataovy dia aza kivy ianao, Zany no ataovy dia aza kivy ianao
Dia hitondra anao amin’ ilay fiainam-baovao
Ka atolotra ho anao izao hirako izao
Mba ho henoinao sy hampahery anao
Fa mbola ho avy ilay tany paradisa vaovao izay mbola nampanantenainy Tompo anao hatramin’izao

Fiv :
Atolotro ho anao ity hirako vaovao ,mba henoinao sy hampahery anao
Fa ny fiainana eto an-tany mangidy sady mamy, ka aza kivy izany fa maheraza hatrany

RAP 2 :
Miezaha ianao hitraka tsy ho kivy intsony satria fa eo ilay Ray mpanavotra ao ambony
Izy no mandidy sy manapaka ny fiainan’olombelona, dia izay teniny rehetra tsy mangidy fa mamoa tenina,
Ka hankinina aminy daholo izay rehetra ataonao ,dia ho lavoary zay rehetra hataonao
Ka hankino aminy daholo izay rehetra fiainanao, dia hangataho amin’azy izay rehetra hirian’ny fonao

Fiv :
Atolotro ho anao ity hirako vaovao ,mba henoinao sy hampahery anao
Fa ny fiainana eto an-tany mangidy sady mamy, ka aza kivy izany fa maheraza hatrany
Fa ny fiainana eto an-tany mangidy sady mamy, ka aza kivy izany fa maheraza hatrany


Tonony sy feony : Luchass Raz
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Luchass Raz
Vangy : 1106
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 31/03/2019 10:51
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0126