Fiainana eto an-tany (Luchass Raz)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
RAP 1 :
Tena  mila ho kivy ianao amin’ ilay fiainana eto an-tany
Nefa iza no mba azonao itarainana anefa
Fa tsy  ilay Andriamanitra ihany no mahefa
Dia izy ihany no mpanjaka dia izy ihany manefa
Ekena fa mafy ny fiainana ankehitriny nefa  na dia zany aza
Aza asiana fahakiviana, ekeo  ampifaliana dia asio fitsikitsikiana
Fa raha io tanterakao dia hitondra hamamiana
Ho an’namana  tsy tapaka  sy ny fianakaviana
Zany no ataovy dia aza kivy ianao, Zany no ataovy dia aza kivy ianao
Dia hitondra anao amin’ ilay fiainam-baovao
Ka atolotra ho anao izao hirako izao
Mba ho henoinao sy hampahery anao
Fa mbola ho avy ilay tany paradisa vaovao izay mbola nampanantenainy Tompo anao hatramin’izao

Fiv :
Atolotro ho anao ity hirako vaovao ,mba henoinao sy hampahery anao
Fa ny fiainana eto an-tany mangidy sady mamy, ka aza kivy izany fa maheraza  hatrany

RAP 2 :
Miezaha ianao hitraka tsy ho kivy intsony satria fa eo ilay Ray mpanavotra ao ambony
Izy no mandidy sy manapaka ny fiainan’olombelona, dia izay teniny rehetra tsy mangidy fa mamoa tenina,
Ka  hankinina aminy daholo izay rehetra ataonao ,dia ho lavoary zay rehetra hataonao
Ka hankino aminy daholo izay rehetra fiainanao, dia hangataho amin’azy  izay rehetra hirian’ny fonao

Fiv :
Atolotro ho anao ity hirako vaovao ,mba henoinao sy hampahery anao
Fa ny fiainana eto an-tany mangidy sady mamy, ka aza kivy izany fa maheraza  hatrany
Fa ny fiainana eto an-tany mangidy sady mamy, ka aza kivy izany fa maheraza  hatrany


Tonony sy feony : Luchass Raz
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Luchass Raz
Visites : 1233
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ikalamako
Date : 31/03/2019 10:51
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0214