NAVELANAO IRERY (Lola (lahy))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha Vao Irery Iny Aho Dia Lasa Saina Manembona Anao
Alahelo Sento Tomany Sisaizay No Mba Namako Ao
Ny Hany Fanantenako Ny Amin-tsika Roa Dia Ny Mandrakizay
Indrisy Voadona Ny Fo,marary Hatrami'ny Ny An-doha Satria Nahoana Kay?
Mahery Loatra Ilay Onjam-pitia Avy Any Aminao
Mahery Loatra Ilay Onjam-pitia Avy Any Aminao
Toa Tsy Te Hino Mihitsy Ny Saiko Hoe Ianao No Nandao
Hay Ve Dia Tsy Vokatry Ny Fonao Ilay Teny Mamy Natorakao
Ilay Voadim-pitia Nomenao Ahy Toa Rano Raraka, Ôh!!!
Ka Torotoro Aho Raha Vao Naheno Ilay Feo "andao Hisaraka"
Mahery Loatra Ilay
Onjam-pitia Avy Any Aminao
Mahery Loatra Ilay
Onjam-pitia Avy Any Aminao

Ref: Dia Navelanao Irery Hipitrapitra
Mampalahelo Eto Aho Aky
Tsaroako Misy Fahabangana Mihitsy
Ny Ao Anatiko Ao Nilaozan-dry!
Marary Aho Fa Aza Hilaozanao
Marary Aho Mitaraina Aminao
Marary Aho Mifona Ka Mitalao
Marary Aho!

Ka Ataoko Ahoana Moa No Hitana Raha Izay No Safidinao?
Na Dia Ianao No Nanankinako Ny Foko Tsy Misy Azoko Atao
Ka Na Mamy Toa Inona Ny Fitia Ny Adiady Misy Indraindray, Ôh!!!
Kanefa Dia Sahy Ianao Nilaza Tsotra Izao, Hoe Veloma Ny Aminao
Mahery Loatra Ilay
Onjam-pitia Avy Any Aminao
Mahery Loatra Ilay
Onjam-pitia Avy Any Aminao

Ref: Dia Navelanao Irery Hipitrapitra
Mampalahelo Eto Aho Aky
Tsaroako Misy Fahabangana Mihitsy
Ny Ao Anatiko Ao Nilaozan-dry!
Marary Aho Fa Aza Hilaozanao
Marary Aho Mitaraina Aminao
Marary Aho Mifona Ka Mitalao
Marary Aho!

Ref: Marary Aho
Marary Aho Mitaraina Aminao
Marary Aho
Marary Aho!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lola (lahy)
Vangy : 257
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : LEBOY261
Daty : 30/10/2023 08:36
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1389