Mendri-piderana (Lola (lahy))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Maro ny fakam-panahyIzay misarika anay amin'ny ratsy Ray ô!
Ny ditraditra, rendraredra koa
Indraindray aza aho tsy mahatsiaro Anao
Na dia izany aza,
Tsy nahafohy ahy Ianao.
Fa famindram-po hatrany
No nasetrinao izany
Manohina ny fo.
Fahasoavana sesilany
Na dia ny tombon'andro
Azonay isan'andro
Ka hoy aho hoe:
Ref:
Misaotra Anao izahay ry Ray
F'Ianao tsy mba nanifika ahy
Midera sy mankalaza Anao
Lehibe tokoa ny famindram-ponao
Mendrika ho deraina a!
Satria, Ianao!, ilay fitiavana a!
Ilay fitiavana a!
....
Ray ôh, manomboka izao,
Toroy lalana amin'izay sitrakao
No mendrika hisaotra ny anaranao!
Izahay zanakao
Izao dia izao, hanara-dia Anao.
Tiako ho dradradradraina mafy
Ny anaranao, Rainay ôh!, ilay Avo,
Ilay mpahary.
Tsy haiko ny hangiana amin'izao
Hitory erak'izao tontolo izao,
Ny Anaranao!
Ref:
Misaotra Anao izahay ry Ray
F'Ianao tsy mba nanifika ahy
Midera sy mankalaza Anao
Lehibe tokoa ny famindram-ponao
Mendrika ho deraina a!
Satria, Ianao!, ilay fitiavana a!
Ilay fitiavana a!
(X2)
....
Mendrika ho deraina a!
Ôh ôh ôh! oeh! ieieh! eh!!
Fitiavana a! (Hum..mm!!)
Fitiavana a! (Fitia..vana a!)
Fitiavana a! (Hi hi iih!! ihi!!)
Fitiavana a!
(Fitiavana a!...)
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Lola (lahy)Hits : 182
Likes : 0 Like
Created by : christophe17
Date : 22/07/2025 18:24
