Hafa mihintsy (Lola (lahy))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Vao teo ambaravarana aho, nihemotra
Toa nisy hery nisintona ahy, hiverina
Te handao mila tena hanalavitra anao
Tsy te hiara hitafa,
Toa niova mantsy ny fisainana.

Toy ilay maham-pinamana, no hivadika
Handrava fihavanana, tsy haharitra
Dia ho vita eo ve?
Ireo lasa izay tsara taloha
Ho hafoy avoko oh! ooo! oh!!!
Diso fihevitra tokoa ny loha!

Ref:
Fa raha ny faniriko dia ho namanao foana
Fitiavana hafa mihintsy fa tsy hanaonao foana
Kanefa ny ato ampoko dia lazaiko, te hitraotra
Te handrombaka, ilay tena fitiavanao yeeeh! ôôô ôôh!

Tsy te ho ratsy imasonao, ka miataka
Sao miova mantsy ny hendrikao, hangarika ahy
K'ilay tsiky sy ireo fahatsiarovana hiova hankahala
Nefa izaho no adala,
Nanaisotra fitia madio hiala.

Ref:
Fa raha ny faniriko dia ho namanao foana
Fitiavana hafa mihintsy fa tsy hanaonao foana
Kanefa ny ato ampoko dia lazaiko, te hitraotra
Te handrombaka, ilay tena fitiavanao yeeeh! ôôô ôôh!

..............................

Pont:
Eny, marary io ho ahy
Raha mafy aza hiaretako
Ny ho namanao
Satria tsy foiko ho ravana.

Ref:
Fa raha ny faniriko dia ho namanao foana
Fitiavana hafa mihintsy fa tsy hanaonao foana
Kanefa ny ato ampoko dia lazaiko, te hitraotra
Te handrombaka, ilay tena fitiavanao. (X2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lola (lahy)
Vangy : 1445
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 07/03/2020 22:30
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0724