Ireo dina (Lalao Rabeson)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ekeo ireo izay efa ekeko
Ho rojo hamehy ny fontsika
Fa hiato fanonja ny ako
Ho rivo-mikalo, hiova ho sioka.

Ireo dina maro vao nifanjevo
Avelao hameno ny fiainantsika
Fa tsy tohaina ny hona mandrevo
Hitelina ireo faniriana efa vita.

Sendra ny ankaso ka mianjera
Mihodìna, tadiavo, aza avela
Raha hitanao ireo, miarena
Ny tany nahalavoanao aza jerena.

Raiso ireo zay efa horosaiko
Ho voalohan-karena, harenantsika
F’ireo, fireo dina no araikitra
Hasambaram-peno, feno bitsika

Ny tena no tsy hifanatrika
Ny nofy ihaonana habakabaka iny
Na rahona iray aza tsy hikasika
Ireo dina mamy voatahiry.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lalao Rabeson
Vangy : 1954
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 29/03/2015 14:00
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118