Fara-fandihizana (Lalao Rabeson)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nadiva ny hifarana ny dia
Tsy fantatro aho na te-hijanona na tsia
Mozika farany no injay nanakoako
Tamin’izay indrindra ianao no nandalo

Izay no fara-mozika
Nandihizantsika, izaho sy ianao
Izay feonkira izay
Nodihizintsika teo mandrakizay

Nifankatia hatrany isika hatrizay
Fahoriana, fifaliana, tena iray
Kanjo indray andro niova inao ry tiana
Sahinao ny niteny hoe: masina !

Cauda:
Ranomaso sisa
No indro mitanisa
Feonkira iray izay tavela
La, la, la, la, la, la, la, la, la, la, la
La, la, la, la, la, la, la, la, la, la...





Nadikan’Ihagamainty na Rosman Randriamananjara tamin’ilay hira hoe: \" The last Waltz\"
Hirain’i Lalao Rabeson
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lalao Rabeson
Vangy : 6409
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : lanto
Daty : 08/09/2005 14:28
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114