Feno anao (Lain'j)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Vao mihiratra aho dia ianao no tsiahy isan'andro
Tsy handriko ilay hitsena anao rehefa antoandro
Mamiko ny hijery anao any
Na dia malaina ny hody aho rehefa mody masoandro

Iriko tsy ho vitsy intsony ilay fitia nomenao
Nefa tsy afaka an-doha ka ny fo manantena
Satria efa nekena, ilay toky nomenao
Na n'iza n'iza tsy atakaloko anao (Baby hi!)


Feno anao ny amiko rehetra
Lasanao tsy asiako fetra
Fa ianao no paradisa efa voatokana ho ahy
Oh Ouh Oh!........

Vao mihiratra aho dia ianao no tsiahy isan'andro
Tsy handriko ilay hitsena anao rehefa atoandro
Mamiko ny hijery anao any
Na dia malaina ny hody aho rehefa mody masoandro

Niharetanao ireny ditra nataoko
Nafoiko ireny satria noho ianao
Ka mampanantena aho fa tsy hiova izany
F'efa ny amiko rehetra hatokako ho anao irery ihany (Baby hi!)

Vao mihiratra aho dia ianao no tsiahy isan'andro
Tsy handriko ilay hitsena anao rehefa atoandro
Mamiko ny hijery anao any
Na dia malaina ny hody aho rehefa mody masoandro

Oh Ouh Oh!........
Feno anao (Feno anao)
Oh Ouh Oh!........
Feno anao
Oh Ouh Oh!........
Feno anaaaaao ah! Oh Ouh Oh!........
Feno anao a!

Vao mihiratra aho dia ianao no tsiahy isan'andro
Tsy handriko ilay hitsena anao rehefa atoandro
Mamiko ny hijery anao any
Na dia malaina ny hody aho rehefa mody masoandro

Feno anao (2 fois )
Ianao paradisa efa voatokana ho ahy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lain'j
Vangy : 15012
Mpankafy : 4 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 08/10/2014 19:57
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1617