Miss you (Lain'j)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hatram'izay tsy sahy nilaza ilay fitiavana aho satria mafonja,
Efa meloka ny hitia anao mandrakizay toy ny any am-ponja.
'Zay tia hono adala e,
Hiafina foana na dia marary,
ka na iza andalo ,
ny foko efa babo.

Tsy haiko fa toa mistery ho ahy,
lasa fery ho ahy
ilay fitiavako anao.

Oh my baby,
mahatsiaro anao foana aho na dia lavitra anao,
I miss you baby,
Aiza ary ianao fa mangatsiaka ny akany,
ka raiso na dia kely fotsiny ary e,
kely fotsiny ary e,
kely fotsiny ary eee.

Ny toerana no lavitra,
mety ahatonga ireo sendra-pitia,
fa ianao aza manahy,
fa izaho tsy hivadika aminao izany.

'Zay tia hono adala ,
hiafina foana na dia marary,
ka na iza na iza andalo,
ny foko efa ianao no nambabo.

Tsy haiko fa toa mistery ho ahy,
lasa fery ho ahy
ilay fitiavako anao .

Oh my baby,
mahatsiaro anao foana aho na dia lavitra anao.
I miss you baby,
Aiza ary ianao fa mangatsiaka ny akany.
Ka raiso na dia kely fotsiny ary,
kely fotsiny ary e,
kely fotsiny ary e e .
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lain'j
Vangy : 8934
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 23/02/2015 11:59
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0204