Tsisy hahasolo (Lain'j)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
ireo vitantsika hatrizay,
tsaroana foana na tsy anjara
Rah any lalana no tsy ho iray,
tsy ahavita hanafina ny tantara
Ho anatrehana ny andro sisa ireny tsy nety ireny ka avelao
Mitalaho fa ny foko mbola tia anao
Ka na iiiza,
handresy lahatra ny foko ao
Tsisy hahasolo,
raha ny hafanana akaikinao
Ny fonao, fa tsy vitako re ny hanadino
Raiso ny foko aza ariana
Fa ianao irery ihany no tena tiako

REF:
Tsisy hahasolo (tsisy hahasolo)
Ny halehiben’ny toeranao
Ny ato am-poko (ato am-poko)
Tsy mila hafa tsy ianao
Ka tsy foiko (ka tsy foiko)
Fa mamy ny anilanao
Miverena raha azo atao
Mangatsiaka aho tsy eo ianao
Tsisy hasolo ! (Oh Ouhoh!)

Niova tsy toy ny omaly
ny fiainako anio ka tomany
Foana ilay hazavana tena mamiratra ho doria
Ka tsy zakan’ny foko e!
Mahatsiaro very aho nilaozany
Ilay afom-pitia
Nampahery hatrizay, nampiala tsiny
Ka na iiiza, handresy lahatra ny foko ao
Tsisy hahasolo, raha ny hafanana akaikinao
Ny fonao, fa tsy vitako re ny hanadino
Raiso ny foko aza ariana
Fa ianao irery ihany no tena tiako

REFRAIN

Niezaka niady mafy foana ho anao
Manantena fa tsy ho zava-poana ireny lasa ireny
Ka ity foko mitempo fitia ho anao
(Tsy ahavita hanadino ) 3 fois
Fa tiako ianao
OUH…..
Ny saiko tsy ahavita hanadino
Fa tsisy hahasolo!

REFRAIN
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lain'j
Vangy : 4723
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : rixman
Daty : 10/06/2016 15:04
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0773