Eo anatrehanao ry Ray (3 ème Album) (KTKB (Edena vaovao Morondava))

1 - Ny andro maro sy ny volana aman-taona,
     Izay nifandimbindimby zary loha taona,
     Ka fahatsiarovana no sisa ka ankalaza,
     Ny andro iray tsy tota fa tena vaovao,

          REF : Fa mpamonjy no teraka ho anareo,
                   Ho anareo anio,
                   Ao an-tanany, tananan’i Davida,
                   Fa mpamonjy no teraka ho anareo,
                   Ho anareo anio,
            tononkira.serasera.org       Dia Kristy Tompo, (x2)

2 - ‘Lay teny tonga nofo no tanterak’izao,
     Voasoratr’ireo mpaminany maro ho anao,
      Na maro ireo nifofo sy nanenjika tokoa,
      Niaro hatrany hatrany anefa ilay Tsitoha,

          3 - Ankehitriny dia misaotra anao ry Ray ô !
               Fa lehibe tokoa ny fitiavanao,
               Ny nanoloranao ‘lay zaza mora fo ho anay,
              ‘Lay Manoela tokanao, ‘lay mandrakizay,

Mpihira : KTKB (Edena vaovao Morondava)
Mpamaky : 115
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : TSIOHARY Sambiheviny Maximin
Tamin'ny : 08/05/2021 08:07:28
ID : 13456

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo