Ekeko ny hadisoko (3 ème Album) (KTKB (Edena vaovao Morondava))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 - Ekeko gny hadisoako,
Izay nataoko anao,
Jesosy anao ‘lay tsy foiko,
Mifona aho izao,
ô ! ô ! ô ! Mifona aminao,

2 - Tsy mendrika ny hitory,
Hiantso ny anaranao,
Jesosy raiso ny foko,
Mba ho eo anilanao,
ô ! ô ! ô ! Mba ho eo anilanao,

REF : Ianao ilay nohesohina,
Ianao ilay nohelohina,
Ianao ‘lay maty nohombohina,
Nisolo heloka ahy,
ô ! ô ! ô ! Nisolo voina ahy,

3 - Tsapako ny fahoriana,
Mangidy nolanjainao,
Ny rànao izay nikorina,
Raisiko ho ahy izao,
ô ! ô ! ô ! Hisaorako anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : KTKB (Edena vaovao Morondava)
Vangy : 498
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : TSIOHARY Sambiheviny Maximin
Daty : 08/05/2021 10:07
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725