Aza mitanondrika (Kimil)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aza mitanondrika izany na mafy ny manjo,Fa ny Tompo anie, tsy hanary anao 'zany eee!
Ireny voro-manidina ireny aza ampiny
Voamaika ianao ilay zanaka tiany
Aza manahy, ampitomboy ny finoanao.
Aza mitanondrika izany na mafy ny manjo,
Fa ny Tompo anie, tsy hanary anao 'zany eee!
Ireo marary nositraniny,
Na ireo maty natsangany
Aza manahy manana finoana.
Ref:
Ambony môraly rehefa miaraka amin'i Tompo ô!
Fa izy tsy handao anao izany
Hatanjao ny fo sy saina fa aza tomany.
Ambony môraly rehefa miaraka amin'i Tompo ô!
Fa izy tsy hamela anao irery,
Na mafy ny fiainana a!!
Ny Tompo mihaino ny fitarainanao!
....
Mafy tokoa ny fiainana! ah!an!an!ah!
Iza moa no hitarainana afa tsy Ianao!, ô ry Tompo!
Izay rehetra hangatahina amin'ny anarako dia ho azo avokoa, hoy Ianao!
Mila finoana sy faharetana ihany koa.
Ref:
*Ambony môraly rehefa miaraka amin'i Tompo ô!
Fa izy tsy handao anao izany
Hatanjao ny fo sy saina fa aza tomany.
Ambony môraly rehefa miaraka amin'i Tompo ô!
Fa izy tsy hamela anao irery,
Na mafy ny fiainana a!!
Ny Tompo mihaino ny fitarainanao! (X3)
Na mafy ny fiainana a!!
Ny Tompo mihaino ny fitarainanao! (X3)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : KimilVangy : 1041
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 08/12/2021 19:58