You are here: home > Tononkira > Kelly Rajerison

Rahoviana re ? (Kelly Rajerison)

https://tononkira.serasera.org/hira/kelly-rajerison/rahoviana-re-

Ny akanjonao dia mainty mitomany
Ny hirako dia hira mahalasa vinany
Ny mena no tianao nefa azafady
Toa  sanatria manjary hahatsiarovako azy

Ny akanjonao dia mainty mandavan-taona
Ny saiko anefa akia mankany aminao foana
Rahoviana re mba lazao azafady
No horaisinao ity foko sasatra miangavy

Rahoviana re no hiova loko ianao
Ka ny mainty malahelTsiky dia ampyo avelanao
Ho sambatra indray izaho sy ianao
Amin’ny andro iray izay ho atokako ho anao

Ny akanjonao dia mainty mitomany
Ny hirako dia hira mahalasa vinany
Ny mena no tianao nefa azafady
Ho tianao ity foko sasatra  miangavy

Rahoviana re no hiova loko ianao
Ka ny mainty malahelo avelanao
Ho sambatra indray izaho sy ianao
Amin’ny andro iray izay ho atokako ho anao.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Kelly Rajerison
Mpamaky : 1024
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 08/04/2014 22:39:42
ID : 6522

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo