KARAZAM-PITIAVANA (Jordana sy Zoara ( G.A.E ))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fitiavan-tena dia fitiavana
Entina handrobana na dia ny namana
Maka izay tsy azy no tarigetrany
Tsy misy afa-tsy izy izay no fetrany
Ny azy dia azy ka tsisy zarainy
Ny an'ny hafa aza no indro fa alainy
Fitiavana ambany indrindra ety
Izany aloha dia tsy mba Fitiavan'i Kristy
Eros ê! Eros ê! Fitiavana ambany
Mandady amin'ny tany ô ô
Eros ê! Eros ê! Izany tsy mba fitia
Toy ny an'Ilay Kristy

Fanandratan-tena dia fitiavana
Tsy mba ijerena na dia ny namana
Ireharehany izany avonavony
Tsy misy mifanampy izay no tanjony
Ny azy dia azy ka tsisy zarainy
Mamonjy ny hafa dia zava-tsy hainy
Fitiavana tsy mbola ampy raha izay
Fitiavana tsy izy tsy mba fitiavan-dRay
Filia ê! Filia ê! Fitiavana tsy ampy
Mandratra toy ny antsy ô ô
Filia ê!Filia ê! Tsy ampy raha izay
Tsy mba Fitiavan-dRay

Fanoloran-tena dia Fitiavana
Ho an'ny fahavalo sy ireo namana
Ny ory sy mahantra no asoaviny
Zay mahatsara ny hafa no tadiaviny
Ny azy rehetra rehetra dia indro afoiny
Raha izay harena dia tsy mba tompoiny
Fitiavana ambony indrindra tokoa
Fitia tena Fitia Fitiavan'i Jeso
Agape! Agape! Fitiavana hafakely
Fitiavana modely ô ô
Agape! Agape! Ambony indrindra tokoa
Fitiavan'i Jesoa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jordana sy Zoara ( G.A.E )
Vangy : 805
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : jordana
Daty : 14/04/2019 09:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3157