GASIKARAKO (Jordana sy Zoara ( G.A.E ))

https://tononkira.serasera.org/hira/jordana-sy-zoara-gae/gasikarako-1

Gasikarako mijaly anjakan'ny tsindrihazolena
Gasikarako tomany, mahantra sy mahonena
Gasy maro toa ahy, rovi-damba ririnina
Tsy mba manana mpiahy, tsy mahita ho fihinina

Ny fananany dia nalaina
Ny harenany dia norobaina
Fiandrianany tsy nohajaina
Izy ireo dia nampahantraina
Volamenany lasa tsy hita
Vatosoa voaondrana any am-pita
Malagasy maro an-tapitrisa
Mipitrapitra, mipitrapitra

Gasikarako mijaly anjakan'ny tsindrihazolena
Gasikarako tomany, mahantra sy mahonena
Gasy toa ahy sy anao, mitsindro-pako etsy sy ery
Tsy mahita izaTsiky dia ampyy atao, midina Ianao ry Tompo! Avia!

Ny fananany dia nalaina
Ny harenany dia norobaina
Fiandrianany tsy nohajaina
Izy ireo dia nampahantraina
Volamenany lasa tsy hita
Vatosoa voaondrana any am-pita
Malagasy maro an-tapitrisa
Mipitrapitra, mipitrapitra

Ny fananany dia nalaina
Ny harenany dia norobaina
Fiandrianany tsy nohajaina
Izy ireo dia nampahantraina
Volamenany lasa tsy hita
Vatosoa voaondrana any am-pita
Malagasy maro an-tapitrisa
Mipitrapitra, mipitrapitra

Aza afoy fa mamonje
O! Ry Tompo o! midina Ianao
Jeso! Aza ela ianao e!
Izany no Vavaka atao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Jordana sy Zoara ( G.A.E )
Mpamaky : 239
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : jordana
Tamin'ny : 05/06/2019 11:47:35
ID : 11784

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo