FO MITEPO IRAY (Jordana sy Zoara ( G.A.E ))

Fo mitepo iray
Mitepo iray amin'ny fonao
Tana-mifandray Aminao Jeso no iriko
Fo feno fitia
Fitiavana, fitiavana
No iriko mba ananako, itiavako...

He nanetry tena haneho ny fitia
Fitiavan-dRay ireo zanany
Tsy tiany ho very, tsy tiany ho irery
Fa angoniny ho eo Aminy
Lanitra sy tany tiany hiara-paltononkira.serasera.orgy
Ka dia nampiraisiny tokoa
Mba ho paradisa no iainantsika
Na dia mbola ety an-tany aza

He nanaiky resy hitory ny fitia
Fampihavanan-dRay ireo zanany
Tsy tiany hifandrafy na hifanaratsy
Fa hiara-dia, hifankatia
Firenena maro, foko samihafa
Hafa fomba, firazanana
Tiany hifangaro, tiany ho tafaharo
Amin'i Jeso Mpampihavana.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Jordana sy Zoara ( G.A.E )
Mpamaky : 167
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : jordana
Tamin'ny : 08/04/2019 22:46:38
ID : 11515

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo