FANDRESENA (Jordana sy Zoara ( G.A.E ))

Tsy haiko ny hangina anio
Tsy haiko, tsy haiko ankehitrio
Ny tsy hidera izay nataony
Hilaza izay fanaony ho famonjena ahy
Satria nomba ahy tokoa ny Ray
Tsy nampiherikerika ahy
Ny tanany ankavanana nitondrany ahy
Ka nampahery, nanatanjaka

Amim-pifaliana no anompoako Azy
Amim-pitsikiana no iderako Azy
Ho hiraiko (Ho hiraiko am-bava ny fitiavana natolony ahy)
Ho hiraiko
Ho hiraiko ho deraiko ny fitiavay ahy
Satononkira.serasera.orgtria (Fandresena atafiny ahy)
Atafiny ahy (Fahendrena nomeny ahy)
Hampimalo, hampivalo ireo fahavaloko
Iderako, ankalazako ilay Maheriko

Toaviny ny teniny
Avo loatra ny heriny
Tsy hay lazaina, tsy hay tohaina
Iderako Azy
Kanto loatra ny asany
Tsara ny fikasany
Ho deraiko ankalazaiko ilay Jehovah-ko

Fandresena izay nomena iderako Azy
Izay nomena dia mihika FANDRESENA
Izay nomena dia mihika FANDRESENA

Izay nomena dia mihika FANDRESENA

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Jordana sy Zoara ( G.A.E )
Mpamaky : 337
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : jordana
Tamin'ny : 08/05/2019 19:46:58
ID : 11682

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo