You are here: home > Tononkira > Jonny R'afa

Retsiana (Jonny R'afa)

Ireo faniriako retsiana
Indro fonosiko hira
Ho ataonareo fahatsiarovana
Fa ny ora hitsaharako efa ho diva

Raha tany ianao malahelo
Ireo tsikiko omaly tsarovy
Raha tany ianao manirery
Ireo hira fivazoko anao no kaloy

Raha sendra diavolana aky ô
Ny andronareo aty
Alefaso ny ankizy Retsiana
Hiara-hifaly eny hanao faribolana
tononkira.serasera.org
Raha tany ka misy mahory
Andraso ho tonga ny hariva
Tongava eny am-pasako ianao
Fa ny andronao ratsy havadiko ho ziva

Ireo hira fanaoko retsiana
Vetsoy ka aza avela ho rava
Ataovinareo fisioka
Fa ny haizin’ny alinareo hody hazava

Dia mahereza Retsiana
Fa izao tsy ho faty fa handry
Na hihintsana aza ny nofoko
Dia ianao no malalako hatrany hatrany

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Jonny R'afa
Mpamaky : 2340
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 19/03/2006 15:25:21
ID : 3544

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo