Hoy ianao tamiko (Jonny R'afa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
HOY IANAO TAMIKO

Hoy ianao tamiko hoe
Ianao efa leon’ny ditrako
Leo ka te-handeha
Tsy hiverina intsony

Varavarako itsy ve
Hasakana anao tsy hoany amin’izany
Hoalehanao izany

Ankehitriny ireo maraina toa
Malaina tsy eo ianao
Mitapify eto an-tratrako eto
Mbola reko manimanitra anao daholo
Ireo lamba fitafiko eto
Ho lasa haolo ny tanana tsy eo ianao.

Tovovavy hafa ve
Hanaiky ireo fombafomba
Fanaoko efa ela be
Toa adala ity izaho

Tsy naleoko ihany ve
Nanaja ireo teninao toy izay
Miharitra izao?
Ankehitriny ireo maraina....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jonny R'afa
Vangy : 2381
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ntaolozandriny
Daty : 22/07/2006 15:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0714