You are here: home > Tononkira > Jonny R'afa

Bilo (Jonny R'afa)

Nankaiza i Bilo no tsy hita miditra tsy hita mivoaka?
Maraina vao mody izy e,
Hariva mitroatra.
Fitia vao mitsiry mahazaka maniraka
Miantso any ho any,
Ka ê tapa-tady, fombany izany.

Bilo ô, Bilo ô, eny ry Bilo
Fitia mifamaly ka aza tsitsiana.
Bilo ô, Bilo ô, eny ry Bilo
Tsy eto intsony f’efa akaikin’ny tiana.

Rehefa i Bilo iny mandeha irery toa miondri-pijery
Naratra ny fo, somary niady kely.
Rehefa i Bilo no ê jejojejo
Tsy mtononkira.serasera.orgiherika intsony,
Efa nahita azy ka ravo ny fony.

Bilo ô, Bilo ô, eny ry Bilo
Fitia mifamaly ka aza tsitsiana.
Bilo ô, Bilo ô, eny ry Bilo
Tsy eto intsony f’efa akaikin’ny tiana.

Rehefa i Bilo iny mandeha irery toa miondri-pijery
Naratra ny fo, somary niady kely.
Rehefa i Bilo no ê jejojejo
Tsy miherika intsony,
Efa nahita azy ka ravo ny fony.

Bilo ô, Bilo ô, eny ry Bilo
Fitia mifamaly ka aza tsitsiana.
Bilo ô, Bilo ô, eny ry Bilo
Fa sarotra ny mila.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Jonny R'afa
Mpamaky : 2199
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 08/08/2007 01:59:30
ID : 4625

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo