Fitiavana Voalohany (Jon Mos)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nandindona ahy fona, ilay aloka ny lasa
Toa zary fahoriana niainako
Tsy mba nisy mba ho mamy ho ahy
Ilay masoandro iray hiposaka
Handrandraiko @ fiainako
Toa nanjary rahomainty indray
Kanefa indraindray aho mahatsiaro very
Raha tafasaraka aminao
Satria sarobidy loatra amiko ianao
Tsy hoaiko adinoina
Reo soa nomenao ahy
Ka raiso aho ry Ray

Refrain :
F'Ianao ihany no antenaiko
Ka mba vonjeo aho re ry Raiko
F'Ianao fitiavana voalohany
Ka tsy hoatakaloko

Lay paradisa iray, nanjary afo be no niainako
Noho reo dilotry ny lasana
Matoky anefa aho
Fa na dia sarotra ny diako
Dia tsy maintsy hosedraiko ireo
Kanefa indraindray aho mahatsiaro very
Raha tafasaraka aminao
Satria sarobidy loatra amiko Ianao
Tsy hoaiko adinoina
Reo soa nomenao ahy
Ka raiso aho ry Ray

Refrain :
F'Ianao ihany no antenaiko
Ka mba vonjeo aho re ry Raiko
F'Ianao fitiavana voalohany
Ka tsy hoatakaloko

©2023
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Jon Mos
Vangy : 329
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Antsa Fitiavana
Daty : 18/02/2023 05:38
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0717