You are here: home > Tononkira > Jeneraly

Dada vaovao (Jeneraly)

https://tononkira.serasera.org/hira/jeneraly/dada-vaovao-1

Lazaiko tsy am-pisalasala
Fa tia anao aho r’lay Madama
Ianao rahateo mahalala
F’efa hatry ny ela aho no efa tamàna

Madama ! fantatro fa tsy tokony ianao
No anolorako zao ventsom-poko izao
Fantatro mantsy fa efa roa ny zanakao
Nefa ny rain’ireo zatononkira.serasera.orgza ireo nandao anao
ka vonona aho ny hisolo azy
Sanatria moa raha vazivazy

Madama a ! tsy sanatria anie kilalao, kilalao
Fa tena marina mihintsy izao teniko izao
Fa tena tia aho eny raiki-pitia
Efa nivoady ny ho tia anao doria doria
Ka ilazao ireo zanakao fa zaho no dada vaovao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Jeneraly
Mpamaky : 4949
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Rojoukel
Tamin'ny : 20/10/2006 19:26:48
ID : 3959

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo