MAHATSIARO ANAO (JEANNOT)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
MAHATSIARO ANAO

Mahatsiaro anao aho
ilay tantarantsika
Manembona foana anie aho
mandre ireo hirantsika
Mahatsiaro ireo taloha
Misento mangina ao am-po
Malahelo foana anao anie aho

Mahatsiaro anao aho
ilay fiarahantsika
Manembona foana anao anie aho isan-kariva
Mahatsiaro ireo taloha
Misento mangina ao am-po
Malahelo foana anao anie aho

Fa n’aiza n’aiza misy anao e
Izaho tsy mba manadino anao
Fa n’inona n’inona hidona e
Izao no voadiko :
“Ianao mitoetra foana anatiko”

Mahatsiaro anao aho irony lasantsika
Miezaka mafy anie aho
hamono izay efa vita
Mahagaga mantsy tsy mety maty
Mandoro mila tsy ho tanty
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : JEANNOT
Vangy : 7700
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : cmbolatiana
Daty : 17/11/2006 06:33
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0768