Aza avela (Jean Joseph Randrianarisoa)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
AZA AVELAtsy vitako,ny miaina irery
raha tsy eo ianao tompo o,mampahery
raha sendra ady,tsy ahatahotra aho
f'ianao no miahy,tompo oh mitantana ahy
tsy zakako,ny zioga izay
ho entiko tompo oh,raha tsy eo ianao
ny nofoko,ho torovana
ny fo fanahiko tompo oh,mirodana
refrain:
aza avela,irery aho mahantra loatra raha tsisy anao
ho very aho ,raha lavitranao
kamboty aho ray ô,raha ilaozanao
miezaka aho,manao ny tsara
nefa tsy tian'ireo mpikafara
enjehina aho,raha nandray anao
mankahala ahy izao tontolo izao
manary ahy,ireo havana
raha nahita ahy nivavaka
mikatsaka ahy ,ho potika
ireo fahavalo mpamotika
refrain:
aza avela,irery aho mahantra loatra raha tsisy anao
ho very aho ,raha lavitranao
kamboty aho ray ô,raha ilaozanao
A/C jean Joseph randrianarisoa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Jean Joseph RandrianarisoaVangy : 111
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Park3939
Daty : 14/02/2026 08:29
