Harena (Izy mianaka ( Rasolo ))

Tsy indroa mandeha ianao
No miaina eto an-tany
Ka zay sitrakao atao
Dia ho tanteraka avokoa
Ny fananana an-dravola
Tsy ho entinao idola
Raha tsisy ny fanahy
Mety ho sola

Fa raha tsisy fahoriana
Ny taranaka any afara
Izay mamy avelanao
Dia ho voarakitra ho tantara
Tsy hanenenao ny soa
Ny tontolo iainanao
KTsiky dia ampya hatsarao re izay ratsy fanao

Teny mba atsipy ny ahy Zany o!
Ho an'ny daholobe
Tsy iray ihany eh!
Ka raiso re raha toa ka
Mba sitrakao
Samy ahatsapa tena
Ho olom-baovao

Ref:
Ho entinao ho aiza ny harena?!
Sanatria tsy hitoetra hanaraka anao eh!
Raha lasa ary ianao ka tsy hiverina intsony
Tsy ho voavidinao koa raha ny ao ambony.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Izy mianaka ( Rasolo )
Mpamaky : 13368
Mpakafy : 3 Ankafizo
Nampidirin'i : tatchy
Tamin'ny : 21/09/2015 09:10:49
ID : 7756

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo