Ny marina (Izy mianaka ( Rasolo ))

https://tononkira.serasera.org/hira/izy-mianaka-rasolo-/ny-marina-1

Inona moa izay fiainana ety an-tany
No tsy hifanasoa, hifamingana lava eto ihany
Mba fantatrao ve ny rahona izay mitatao
Dia ny fahoriana, hadalana izay rehetra natao
Inona moa izay andro mandalo miserana
No hampijalianao, ireo namana tsy fandeferana
Raha azo atao, aok'izay fa banjino ny ho avy
Ry rahalahy sy namana, mitalaho aminao miangavy

Chorus:
Maninona raha miezaka manao ny marina ?
Ny ratsy foana ve no havela hanjaka eto an-tany ?!
Ny lalàna, ny mahitsy no aoka harahina
Mba tsy hanenenanao aorianan'ny vokatr'izany

Inontononkira.serasera.orga moa izay andro mandalo miserana
No ampijalianao ireo namana tsy fandeferana
Mba fantatrao ve ny rahona izay mitatao
Dia ny fahoriana hadalana izay rehetra natao

Maninona raha miezaka manao ny marina ?
Ny ratsy foana ve no havela hanjaka eto an-tany
Ny lala?na, ny mahitsy no aoka harahina
Mba tsy hanenenanao ao aoriana no vokatr'izany

Fa maninona raha miezaka manao ny marina ?
Ny ratsy foana ve no havela hanjaka eto an-tany ?
Ieeehh! Ny lala?na, ny mahitsy no aoka harahina
Mba tsy hanenenanao ao aoriana no vokatr'izany (in-2)
Oooohhhh.....
IZY MIANAKA

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Izy mianaka ( Rasolo )
Mpamaky : 1098
Mpakafy : 2 Ankafizo
Nampidirin'i : tahiana.dafy2015
Tamin'ny : 06/01/2017 14:23:12
ID : 9051

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo