Tsy mendrika (Hosana Ambohijatovo Fitiavana)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
🔹 Hosana Ambohijatovo 🔶 TSY MENDRIKA AHO 🔹1- He ity izaho Tompo o tianao nadia efa toy ny adala
Izany aho nefa antsoinao hoe zanaka malala
Tena ontsa anaty fo, Mampilatsa-dranomaso
Miondrika no atao, tsy mahajery Anao
Tompo ô menatra aho
Miasa anatiko any, Feonao manontany
Iza no hirahiko
Moa ity izaho ve mendrika handray ilay famindram-po
Ny ati-fanahy henika, feno karazan-doto
Tsy toy izay ny fihevitrao
Fa natsotranao ny tà nanao
Nanova, namindra, nanadio, nandrindra
Izao fiainako izao
Ka misaotra indrindra, fo feno hafaliana
No atolotro Anao
Refrain:
Tsy mendrika aho
Tsy mendrika
Lehibe ny otako
Lehibe tsy mahate hiherika
He tsy zakako
Tsaroako Ianao voahombo teo
Nibaby ireo entako ireo
Misaotra Anao, Misaotra Anao
Tsy mendrika aho nefa navotanao
Tsy ho adinoko Tompo ilay fanavotan’aina ahy
Fa tena tianao aho
Rehefa mody masoandro
Na koa mifoha maraiana e
Manandra-tà nana aho
Ianao no antsoiko, tiako ho anilako eo
Fanahy sy foko, indray manandram-peo
Ianao no antsoiko, te hidera Anao aho
Fanahy sy foko te hisaotra Anao
2- Soa Ianao Jesoa fa teo nahafoy nanolotr’aina
Maro ireo karazam-peo nanimba fo sy saina
Ny feonao mbola hafa moa
Porofom-pitiavana mambabo fo
Feo manome hery, tsy mamela irery
Raha sendra manjo
Feo fanantenana, feo fanazavana, feo handreseko
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Hosana Ambohijatovo FitiavanaVangy : 9
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Bigfhy
Daty : 11/04/2026 14:53
