TOMPOKO SY ANDRIAMANITRO (Hosana Ambohijatovo Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Tompoko, Andriamanitro
Tena fiankinako am_po
Lasako sy hoaviko raha IANAO
Tia sy miandany amiko
Miantoka ny lalako
Rakotra famindram_po noho IANAO
Na dia hoe manafay, dia satria fantatray
Be ireo fahalemenay, mbola mandavo anay
Koa ny masom_panahy, tena italahoanay:
Hamasino handray ny anatra atao anay
Ref:
Harena be tsy ritra ny teninao
Ka manome ho lova ny fanjakao
Fantatray koa ny lala_mideza mankao
Fanaovan_tsoa, finoana no ampinga entina ao
Fa rehefa eo Ianao mialoha anay
Dia inoanay fa ho tratranay ilay JEROSALEMA vao,
Tanananay
2. Tanako no asandratro
Indro koa ny vavako
Midera ny anaranao TOMPO TIA
Miondrika, mitsaoka Anao
F’Ianao no Ray Masina
‘Zay tena hasambarako dia IANAO
Na tsy hita aza Ianao, dia izao fiainako izao
Miseho ao ny herinao, ilay fitia, ny asanao
Teny fambaranao hoe: “Tsy mahafoy Ianao”
Tompo ô misaotra Anao, Tompo ô misaotra Anao
A/C:RAJAONARIVELO Germain
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Hosana Ambohijatovo Fitiavana
Vangy : 1805
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : zoublinette
Daty : 11/12/2019 13:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2889