Miasa Andriamanitra (Hosana Ambohijatovo Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy misy ny olana tsy azo vahana
Tsy misy areti-tsy azo sitranina
Toa mahavery hevitra anao fatratra
Mba fantatrao ve ny hoe finoana?
Izao teny izao no ampaherezako anao:
"Ny zavatra rehetra dia hainy atao"
Jesoa fitiavana mijery anao
Arovany aminao, manatona

Sahiran-tsaina ianao, te hiotra hiarina
Milanja irery izay midona
Jeso no handrava anio, hinoy fa marina
Voavonjy izay manam-pinoana.

Fiverenana :

Nohariany isika hiaina finaritra
Na dia zahan-toetra aza indraindray
Hahatsapa ianao fa miasa Andriamanitra
Hevero anie ireo izay voafidiny fa:
Tsara fiafarana, tena nahatana,
Tsy niova, nankatoa,
Nanompo, nanasoa
Na tety an-tany, indrindra an-danitra any
Niaina ny fiadanan'ny Tompo.

Tsisy voatokana ho farahidiny
Ny fahantrana anie ka tsy didiny
Jesoa mpamonjy efa nahidiny
Tompon'ny zavatra rehetra
Ndrao misy izay tokony hibebahana
Fa ny ota anie ka vato misakana
Zava-mandoza io ka aleo hialana
Miovà dia ho hitanao ny hazavana

Niandry ela anao Izy, tsy mba mandatsa Izy,
Fitiavan-dehibe no ao am-pony
Anio raha ekenao ny fanapahany,
Hiseho tokoa ny fitahiany.
Fiverenana :
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Hosana Ambohijatovo Fitiavana
Vangy : 3790
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Faniiloo
Daty : 17/02/2019 11:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0764