Tokantrano sambatra (Hosana Ambohijatovo Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Antoky ny fifaliako
Jeso ô, lazaiko Anao
Ny ankohonana nihaviako
Raha mitodika Aminao
Reraka izy ka atsangano
Manantena ny antranao
Amboary tokantrano
Mandohalika Aminao

Ry Jesosy itokiako
Izaho mivavaka Aminao
Mba tahio ilay dada tiako
Hiombon-dalana Aminao
Mbola zavatra iriko
Sy hitarainako toy izao
Hitodiho ilay Reny tiako
Mba kasiho ny tananao

Izy ireo dia miasa fatratra
Manan-javatra kendrena
Ary koa manafatrafatra
Hitomboanay fahendrena
Tsara izany nefa Raiko
Izy ireo koa andrandraiko
Mila Anao ho fiatsampazana
Hahazoanay fahombiazana.

Fifandirana hampisy efitra
Halavirina tokoa
Mifanaja, mifandefitra
Izay no mah’iray tam-po
Ray sy Reny, olona ihany
Mety tena handratra fo
Fomban-javatra eny izany
Izaho koa zanaka manoa.

Fa na ratsy ireo na tsara
Tena mamiko, lalaiko
Ivavahako hanan-jara
Hanompoana Anao, ry Raiko
Izahay ankizy, Ray sy Reny
Miara-mankatò ny Teny
Ny safidinay hitambatra
Mba ho tokantrano sambatra.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Hosana Ambohijatovo Fitiavana
Vangy : 1205
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Jockl
Daty : 03/02/2020 19:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0722