MAMELA NY HELOKO (Hosana Ambohijatovo Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Eto am-pototry ny hazo fijalianao
Miaiky aho fa nania tanteraka (Oooooh)
Mahavery ahy tokoa
Ity zioga ity ka mba alao
Vonjeo aho Jeso fa reraka (Oooooh)
Zao vao latsaka ao am-po
'Reo anatranatrao
Njao koa hatrizao mbola henoko, henoko (Oooooh)
Tambitamby iantsoanao
‘Zay mavesatra entana
Inty aho mamelà ny heloko

Fa leo ny asan’ny maizin-dava
tsy mba mahavoka-tsoa
Mba te ho isan’ireo mazava
sady voaova fo
Raha ‘zao aizina izao no maharitra
Aiza ho aiza intsony ny lanitra
Mba sitrano aho
ahitako ny voninahitrao

Soa ihany Ianao mbola mitsetra
tena mangoram-po
Indreo ny aretiko rehetra
Tompo ô, ifonako
Faharatsiana ‘zay nafafy hatramin’izay
Aoka hajanona hatreo f’efa ampy izay
Tsy te hiherika intsony aho
ka dia manantona Anao

Inoako fa na sombiny aza
avy amin’ny ranao soa
Izaho Jeso dia sahy milaza
fa mahavonjy ahy tokoa
Hahavita inona ho ahy ny eo an-tanako
Na izay mba fahalalana ananako
Ny mahavonjy ahy dia zaho mino Anao, manaraka Anao o o o!

Eto am-pototry ny hazo fijalianao
Miaiky aho fa nania tanteraka (Oooooh)
Mahavery ahy tokoa
Ity zioga ity ka mba alao
Vonjeo aho Jeso fa reraka (Oooooh)
Zao vao latsaka ao am-po
'Reo anatranatrao
Njao koa hatrizao mbola henoko, henoko (Oooooh)
Tambitamby iantsoanao
‘Zay mavesatra entana
Inty aho mamelà ny heloko
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Hosana Ambohijatovo Fitiavana
Vangy : 1780
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Jockl
Daty : 29/01/2020 23:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734