Mamèla ny heloko (Hosana Ambohijatovo Fitiavana)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Eto am-pototrin’ny hazo fijalianaoNiaiky aho fa nania tanteraka
Mahavery ahy ity zioga ity ka mba alao
Vonjeo aho Jesoa fa reraka
Zao vao latsaka ao am-po’reo hanatranatrao
Injao koa hatrizao mbola henoko,henoko
Tambitamby hiantsonao’zay mavesatra entana
Inty aho mamèla ny heloko
Fa leo ny asan’ny maizin-dava
Tsy mba maha-vokatsoa
Mba te ho isan’ireo mazava sady voaova fo
Raha izao aizina izao no maharitra
Aiza ho aiza ahy intsony ny lanitra?
Mba sitrano aho ahitako ny voninahitrao
Soa ihany Ianao mbola mitsetra
Tena mangoram-po
Ndreo ny aretiko rehetra
Tompo ô hifonako
Faharatsiana izay nafafy hatram’izay
Aoka hajanona hatreo f’efa ampy zay
Tsy te hierika intsony ka dia manantona Anao
Hinoako fa na sombiny aza avy @ ny ranao soa
Izaho Jesoa dia sahy milaza
Fa mahavonjy ahy tokoa
Hahavita inona ho ahy ny eo an-tanako?
Ny mahavonjy ahy dia izaho mino Anao
Hanaraka Anao ô!!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Hosana Ambohijatovo FitiavanaVangy : 14341
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 22/02/2005 06:29