EKEKO RY TOMPO MAHERY (Hosana Ambohijatovo Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Ekeko ry Tompo mahery 'ty kapoka nataonao ahy
inoako hanasitrana fery sy rofy mandemy fanahy
Nofaizinao aho mba amboarina, ekeko @ foko tsy an_tery
Ny zanaka tiana no anarina, misaotra ry Tompo Mahery

Ekeko fa lalana hety no mbola hitarihanao ahy
Nombanao dia hita fa mety, ka tiako ampianarinao ahy
Ireo fahavalo feno horakoraka, mahita ahy mijaly sy very
F'Ianao kosa tia ka nangoraka, misaotra ry Tompo Mahery

Nataonao izao, nahatsapa koa aho
Fa raha mbola tao anatin'ny hery sy tanjaka aho
Tsy niraika Aminao, niodin_dava teny aho
Tsy nanova fitàna, nampalahelo Anao
Soa fa ambony loatra ny fitiavanao
Mbola nanamboatra izao fiainako izao
Ka anaingako eto ny maro fa sambatra ange 'zay tafaaro
Aminao fa dia voaaro
Sambatra, sambatra 'zay manana Anao

2. 'Zay rehetra miroso Aminao, dia enjehina sady ankahalaina
Satria moa manova fanao, dia esoina fa hoe tery saina
Izao no hasambarako ety: ny miara_mandeha Aminao
Tsy miova ny foko efa tia, JESOSY ô hanaraka Anao

Izao no mameno ny saiko: famonjena namana hatrany
Ireo vaovao mahafaly voaraiko, toriako am_pitiavana izany
Hafaliana ho ahy ny mamory ireo ondry 'zay noana sy ana
Tsy iandrasako tambiny akory, fa ataoko @ fanantenana

'Zay fitsarana, tsy mampaninona ahy
Na lazaina aza aho fa toa adala tsy ampy fanahy
Sarobidy tokoa raha ny nataonao ahy
Ka mba tiako hozaraina ho an'ireo rahalahy
Miady mafy mantsy ilay fahavalonay
Satriny aza ho very avokoa izahay
Ka anaingako eto ny maro fa sambatra ange 'zay tafaaaro
Aminao fa dia voaaro
Sambatra, sambatra 'zay manana Anao

Antoko Mpihira HOSANA
A/C: RAJAONARIVELO Germain
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Hosana Ambohijatovo Fitiavana
Vangy : 1839
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : zoublinette
Daty : 11/12/2019 13:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727