Aza manahy (Hosana Ambohijatovo Fitiavana)

https://tononkira.serasera.org/hira/hosana/aza-manahy

Topazo maso anie ireo vorona
Tsy mba mamafy na miasa aiza akory,
Faly sady miaina finaritra ery
Satria ahian’ny Tanàn’Andriamanitra
Tsy mitahiry na mamory ireo
Ny hiahiany ‘zay ampitso tsy hainy
akory
Ny anio aloha ! ‘zay andaniany
herim-po
Satria ny ampitsony dia efa
hain’Andriamanitra.
ref:
Aza manahy, aza manahy ianareo
Fa omeko eny ihany , ny hareko tsy
lany,
Eny, aza manahy, aza manahy
ianareo
Manana finoana ka aoka ho tsaroana
« Ahy ny ady fa Tsiky dia ampytsy anareo »
2-
Tsy ao amintsika ny finoana fa,
tsy maintsy ho to ange izay
sitrapony,
Ny zanany izay Asan’ny tanany
Efa nambarany fa dia adidiny.
Ny feo rehetra maha-olona
Aoka hangina hatreo, fa henoy ny
Tompo,
Milaza indray fa IZY ihany anie no
mahay
Mametraka fiadanam-po ao aminao
ref:
Aza manahy, aza manahy ianareo
Fa omeko eny ihany , ny hareko tsy
lany,
Eny, aza manahy, aza manahy
ianareo
Manana finoana ka aoka ho tsaroana
« Ahy ny ady fa tsy anareo »
Ahy ny ady fa tsy anareo

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Hosana Ambohijatovo Fitiavana
Mpamaky : 2514
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Toocky
Tamin'ny : 21/10/2015 08:15:28
ID : 7796

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo