Antenao tsara (Hosana Ambohijatovo Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha mba fatra-paniry maniry zava-panahy,
Izao no tadiavo indrindra dia ny hampandroso fiangonana,
Aoka ho malina isika,
Ho matotra aram-panahy,
Fadio ny hampangatsiaka,
Ilay hafanana ao anaty ao,

Ezaho mafy ny fiantsoanao,
Dia mitsangana ka mihazavà,
Fa amin'izao tontolo izao,
Misy adidy masina,
Nekentsika atao,
Lehibe ny valin'ilay fahasahiana,
notànana hatrizay,
Amin'ny fo madio sy ao anaty hafaliana,
Mbola hiainantsika indray,
Miandry ahy sy ianao,
Miandry antsika izao tontolo izao,
Manarona ao ny aizim-pito, ny ota mankalao,
Torio lazao
Ilay Jesosy mpamonjy ahy sy ianao,
Ka Antenao,
Izay entiny ho antsika dia ny fahasoavan'Andriamanitra,
Eny Antenao,
Ilay sandry mahery,
Sy maso mijery ny marina.

Ny zavatra any ambony,
Dia ny itoeran'i Kristy,
Saino katsaho izory,
Mahantra ianao raha miandry ety,
Aoka isika tsy hanendry,
Izay zavatra tsy madio,
Fa izay zava-boatendry,
Hampiorina finoana no irio,

Ezaho mafy ny fiantsoanao,
Dia mitsangana ka mihazavà,
IAINANA IREO HAFATRA,
Miasa mitombo aim-panahy,
Aoka hitomban-dahy.
Lehibe ny valin'ilay fahasahiana,
notànana hatrizay,
Amin'ny fo madio sy ao anaty hafaliana,
Mbola hiainantsika indray,
Miandry ahy sy ianao,
Miandry antsika izao tontolo izao,
Manarona ao ny aizim-pito, ny ota mankalao,
Torio lazao
Ilay Jesosy mpamonjy ahy sy ianao,
Ka Antenao,
Izay entiny ho antsika dia ny fahasoavan'Andriamanitra,
Eny Antenao,
Ilay sandry mahery,
Sy maso mijery ny marina.

A/C : RAJAONARIVELO Germain
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Hosana Ambohijatovo Fitiavana
Vangy : 111
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ilay7nantenainy
Daty : 30/11/2023 13:45
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2195